Lalao tsotsotra
Ianareo ve tia milalao ?
Marisika ve isika raha toa ka asiana kely lalao tsotsotra eto amin' ny blaogy ?
Karazana ankamantatra izy ity.
Misy ampahany fohy amina hira (latsaky ny 30 segondra) izay hatolotr'i LeRastah eto indray mandeha isam-bolana.
Ka ny fanontaniana dia hoe:
- Inona no lohatenin'io hira io ?
- Iza no mpanoratra na mpihira azy ?
- Tany amin' ny taona firy tany ho any izy io no nalaza ?
Ny hira rehetra moa dia notsongaina avy tao amin' ny <http://tononkira.serasera.org/>, ka angamba ho mora ny fitadiavana ny valin-teny.
Koa dia indro ary ny hirahira voalohany e.
Mba hisorohana ny olana amin' ny droits d'auteur dia olon-tsotra amateurs no nasaina nihira.
