Ny fahitako azy

jery todika fararano

Nampidirin'i lehilahytsyresy ao anatin'ny Tetsy sy teroa - 28 Okt, 2022





























Rehefa natao ny jeri-todika dia efa somary elaela ihany ny tenanay no teto amin'ny blaogy sy serasera.org. Maro ny zavatra nahaliana teto, tsy vitsy koa ireo nahafinaritra. Tato ho ato anefa dia tsy hita intsony hoe inona no hosoratana, ka aleo sary mahafinaritra ahy no mba hozaraiko eto indraindray.
    Nanomboka tamin'ny fiparitahan'ny areti-mandoza eran-tany moa dia nihavitsy ny fandehanana nizaha tany, hany ka sary jeren'ny maso no natao solon'ny tongotra niampita ranomasina.
    Noho izany, ny sary nosafidiantsika androany dia mampiseho fiainana andavanandro any Parisy , Frantsa. Hita eto ny café iray amoron-dalana ao Montparnasse, feno ravinkazo maina miraraka amin'ny tany, ary ny andro koa manjonitra fa volam-pararano... Vetivety dia hariva sahady kanefa vao folakandro. 


Sary nindramina izy ity fa tsy ahy tsy akory.








Toa hoe andro toy izao hono no mitondra aingampanahy ho an'ireny artista ireny.
Inoako fa tsy misy tsy mahalala ity vetso iray kanto tsy-mety-lefy-laza ity.

 
 
 
 
 
 
 
 























1   2   3